Popup

Farah et Bamb's
SAMY HAFA

Numero della pista Titolo Classificazione Numero di ascolti Scarica Aggiungi al mio blog Azioni
1 SAMY HAFA
329 letture
2 @FO
125 letture

Non hai la buona versione di Flash per utilizzare il player Skyrock Music.
Clicca qui per installare Flash.

FARAH & BAMBS

FARAH & BAMBS







>>>>>>>>>>>>>>>JUST-TWO-LADIES.SKYBLOG.COM<<<<<<<<<<<<<<<<<<

# Postato venerdì 27 giugno 2008 08:05

MP3 : @FO (2007)

[ Ascolta questo brano ] [ Aggiungi questo brano sul mio blog ]

  • Titolo: @FO
  • Anno: 2007

Parole:

FARAH :

Ataoko nanamarika anao izay nomeko hatrizay anao

Avy @fo izay ehetra rehetra natolotro anao

Hafa fomba fijery eny, ny foko tsy ho samirery

F'efa safidy ny ahy sanatria koa zà 'ty hanirery

Na rap, na bôsy, na kôfa, anaty feeling foana 'zay na tsis sôsy

Na fitafy na fijery na pôzy

F'akama daholo eto ka tsy asianay kôzy

Dia big up ho anao izay mbola tsy to fa tsy ho diso anjara

Fonao mitempo avia fa mbola tsy tara

Dia mankafy ny aty f'aza mikanon-doha

Ovao ny fomba fijery ataovy avy @fo


BRIDGE:

Eh! midobodoboka ny fonao io

F'efa anaty move ianao @io fotoana io

REF:
Hooo! Brrr tstik hahaha tstik

BAMBS/ FARAH:

Ôtrzay ny fitempony, rehefa faly @

Faratampony dia ôtrzay ny fon'ny tompony

Dia jereo ireo f'anaty feeling, dia rehefa anaty move iny tsy voafetran'ny timing

Jereo ny patipatiny f'hita soritra @tavany ity fomba fiaviny, ny fisalorany
Yeah (x3) tsy maka sarotra izy

F'efa anaty rà no avy @fo fa tsss

Yeah (x3) tsy maka sarotra izy

Dia avelao ho anatin'ny hafanana fotsiny

Yeah (x3) tsisy kely na lehibe

Kôfa na jô hifampizara soa be dia be

Alaviro moramora ny sorisory

F'efa tsisy manakory

Sady koa tsy hisy tory.

BRIDGE:

REF:

BAMBS:

Isaorako raha vao mifoha ah dia mbola mitempo fo

Vonona hiatrika tontolo andro ilay hiainako @fo

Amiko, @fomba tsora ny ah hoa @fo

Na @folo io na tsia ny ora ok mety io amiko

Rehefa miantso hoe “ampio” @Ray ho an'ny ampitso, ny ah tsy asiako ambo-po, ny lela avadiko im-pito

Tandremo! Ao ny ampo tsy miloaka

Tandremo! Raha misy tafahoatra tandrineso!

Ny kôzy aty tsy alasafay, tsy be safary, tsy fa si la, fa singa tsy hahalasa fay

Ay ay! Za te ho lavitra ahiahy

Dia tsy ho patipatiny fa ity raiso ranoray


BRIDGE:

REF:


# Postato giovedì 19 giugno 2008 04:10

Modificato venerdì 25 luglio 2008 04:39

MP3 : SAMY HAFA (2008)

[ Ascolta questo brano ] [ Aggiungi questo brano sul mio blog ]

  • Titolo: SAMY HAFA
  • Anno: 2008

Parole:


Bambs:

Ianao raha mandinika tsara, vokan''ny drala miloka ry zalah

Izy tsy madraharaha na dia efa tsy anjara,

nefa any misy zara raha, amin'ny firy mifoha mikiry, misy tahiry

sahirana dia atao hoe misitaha ery



Farah :

Ianao mahatsapa fa mijaly anaty fiarahamonina

Olana ara-pianakaviana efa iarahana mionona aminao

An-tasainao fety foana ny fianana isan'andro

F'any zandry kely hitady kaly androany hoany androany

Bambs:

Dia misy mifanatsaf fa mahatsapa fa

Rehefa ela tsy nitsako, mitaky hatramin'ny vatana manakotsako

Dia rehefa ela ny ela eny antsaefatsefany eny

Mosarena satria ny asa efa tsy efan''ny hery

Diea henoy ity: tafita ny hafa amin''ny diplaoma tsy tambo isaina

Fa saino! ny hafa ny ABD tsy haran''ny sainy

Dia saino : Mozika no antompiveloman''ny atsy

Nefa ny eroa na sioka tokana aza tsy voakajy

Refrain:

Handalovanao izany

Na ratsy na tsara

Fiainana daholo izany

Misy ny ambony rahateo

Tsy lazaina ny ambany

Fiainana daholo izany


Farah:

Hitanao,f'izy misaona ao am-po

Rasoa indray tera-bao, misy fety ka mifampirary soa

Izy, nahita akama latsa-dranomasom-pifaliana

Izy, latsa-dranomaso nilaozan'olon-tiana

Bambs:

Dia ianao manambitamby f"'izy toa manevateva

Ianao toa manetry tena, ny azy toetra tsy maneva

Na miantso ny Avo, na miantsy ny Avo, io asakasakao

Misy vokany avy ireo fa fakafakao

Farah:

Raha tsapanao f'izy iny anisany kamboty amin'ireny

Nefa ianao aty tsy sasatry ny manimbazimba ray sy reny

Firy?!Reo zatra mpanao toetra tsy zaka

Aminah ny fitadiavana hafanana mie-lalim-paka

Izy,sipa tsisy anjara @fitia

Nahoana ny atsy tsy mahay mihonona,antsoina koa hoe mpilalao fitia

Izy,manirery mila namana anao

Indrisy !Fa nolavinao ny faniriany

Refrain:

Handalovanao izany

Na ratsy na tsara

Fiainana daholo izany

Misy ny ambony rahateo

Tsy lazaina ny ambany

Fiainana daholo izany

Bridge:

Indraindray eny an-dalana eny raha mijery ianao

Misy mifaly,misy mitomany

Nefa anjaranao ihany no mieritreritra

Hoe aiza ny ho toeranao


Bambs:

Sanatria io ho tandra vadin-koditra ka hoe izay no izy

Indrisy samy mety ho voa IZAHO, IANAO, IZY

Jereo izy, ny tananao tolory azy

Mijoroa fa fanantenana tsy hahavoasazy

Farah:

Tandremo fa ny ambany androany mety ho lasa ambony rahampitso

Efa mampandre anao anie zay zah!

Inoako fa ny ambony androany hitsinjo ny ampitso

Isika rehetra anie samy ho ray rà

Bambs:

Ny masoandro mihiratra hodimbiasin''ny andro miditra

Ny tsy hita isa mety ho tsy hita intsony mihitsy ka...

Eh ......... mba saino ihany!

tsy hatao hahakivy io na fianinana aza izany

Farah:

Fiainana daholo izany!

Fa mahaiza mifampihaino @fo na dia samy hafa ihany

Fandeferana no tokony hibahana

Aminao sy ho anah na tsisy fitoviana vahana


g]Refrain:

Handalovanao izany

Na ratsy na tsara

Fiainana daholo izany

Misy ny ambony rahateo

Tsy lazaina ny ambany

Fiainana daholo izany

Bridge:

Indraindray eny an-dalana eny raha mijery ianao

Misy mifaly,misy mitomany

Nefa anjaranao ihany no mieritreritra

Hoe aiza ny ho toeranao



Studio : Rhayo

F'tona : 09 Mai 2008

Son: Bil & Rajdy

# Postato giovedì 19 giugno 2008 03:55

Modificato giovedì 28 agosto 2008 03:09

Welcome!!!!!!!!!!!!!!!!!!

Welcome!!!!!!!!!!!!!!!!!!
la musique c'est notre vie,notre art!!!!!!!!!

# Postato domenica 04 maggio 2008 09:38